Tovovavy iray avy nirava nianatra handeha hamonjy fodiana izay tsy nanampo na inona na inona no naratra nihoritra tongotra sy nihosina tao anaty ranom-potaka maloto masiso notrongisina fiara iray nisongona fiara teo anoloany
. Noho ny tsy fitandreman’ny mpamily, tafakatra teny ambony “trottoir” mihitsy ity fiara ity, ka nandona ilay tovovavy, omaly naraina tamin’ny 9 ora sy 55 minitra, tetsy Anosibe Namontana (lalana Boulevard de l’ Europe). Nianjera tao anaty tatatra feno fotaka maimbo ity farany. Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ilay mpamily, raha tsy nifona mafy ary nitondra ilay zazavavy haingana namonjy toeram-pitsaboana.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.