Tovolahy iray 22 taona mamo no voadonan’ny fiara ka naratra teo amin’ny sandriny havia sy ny ilan-damosiny, ny alakamisy alina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, amin’ny lalana mihazo Andolombazaha (fasam-bahiny) ampitan’ny hopitaliben’i Toliara. Raha ny fanazavana azo dia nanapaka arabe tampoka ity tovolahy efa dizin’ny toaka tanteraka ity izay nisary adala teny an’arabe. Niezaka niala aza ilay fiara nefa izy nibolisatra tao anaty lavaka afovoan-dalana, ka voadona ary naratra. Taorian’ny loza dia nentina notsaboina ity tovolahy nadolan’ny galeoka ity. Matetika mantsy dia ireo mpamily foana no mahazo loza ary mety hiditra am-ponja kanefa ny sasany no mamo tampina eny rehetra eny tsy mahita izay lalan-kalehany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.