Tovolahy iray no nianjera tamin’ny moto omaly antoandro amin’ny lalana mihazo an’Andohatapenaka iny. Somary nandeha mafy niala lavaka izy no nianjera sady
nikorisa ary nirafitra tamin’ny vato teo amin’ny « trottoir » ny lohany. Tsy nahaaro azy tamin’ny loza ny « casque » nanaovany ka vaky ny lohany ary tsy nahatsiaro tena izy, hoy ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Efa mamomamo nahenoana fofon-toaka ity tovolahy ity rehefa nobataina ary hita ho nisetrasetra tamin’ny fitondrana ny soavaliviny, hoy hatrany ny fanazavana azo.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.