Actualités

Toriteny teny Antsonjombe Mbola liana sy mandrirotra azy hatrany ireo mpitondra


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Samy manana ny loko politikany ireo olona tonga nanotrona iny fanompoam-pivavahana iny ary amin'ny maha toriteny ao anaty vava azy dia efa mazava ny fampidirana, hoy ny pretra sady mpamakafaka raharaham-pirenena,

Mopera Prosper Ratovomananarivo, farany teo raha naneho ny heviny momba ny fitroran’ny mpitondra sasany naheno ny toriteny nalaza teny Antsonjombe. Mpaminany, hoy izy, ny fiangonana ary raha izao vanim-potoana iainantsika izao dia azo lazaina ho sarotra, indrindra ny fiainam-pirenena sy ny lafiny ara-politika. Satria ve ny filoha teo aloha FJKM ka mety ho izay no nahatonga ilay adihevitra? Tsy ilaozan'izany fisainana izany aloha, raha ny zava-misy, tsy manohana kandida ny fiangonana hatramin'izao fa ireo mpanao politika no miezaka maka tohana amin'ny fiangonana, hoy hatrany ny tenany tamin’iny. Nilaza izay maha mpaminany ny fiangonana izay koa moa ny mpitoriteny ary dia nanamafy azy izany i Mompera. Ny tena nahagaga tamin’ity tranga ity dia hita ho mbola liana dia liana tamin’ilay izy indrindra ireo mpanaradia ny mpitondra na dia nisy nilaza ho naratra fo aza. Sa ve isan’ireo adihevitra tiana hateza, araka ny fanahian’ny mpanara-baovao indray tokoa, mba handrendrehana ny saim-bahoaka tsy hahatsiaro ny vidim-piainana miha tsy zakany isan’andro na ilay antsoina indray hoe “diversion”? Na izany na tsy izany, rehefa hita ho liana ihany moa ny andeha ho bangoina amin’ny hoe rehetra dia heverina fa tsaratsara ho antsika rehetra izany ny mamaky ireo epistily na taratasy maro ao anaty Baiboly Kristianina ao toy izay nosoratan'i Paoly Apostoly ho an'ny fiangonana sy ny mpino. Mbola azo hitarafana ireny rehetra ireny koa ny bokin’ny epistily ao amin’ny testamenta vaovao toa ny Romana , Galatiana, Filipiana, Korintianina, Kolosianina sy ny hafa …, raha ny toromarik’ireo mpandalim-pinoana moa izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT