Actualités

Toriteny teny amin’ny Coliseum Tsy nahafaly ny olom-panjakana sasany


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Sambany ary tsy mbola fahita hatramin'izay ny fijoroan'ny olom-panjakana nilaza nivantana fa tohina tamin'ny torotenin'ny Mpitandrina,

raha tsy omaly teny amin'ny fanompoham-pivavahana notarihin'ny Fiangonana FJKM teny amin'ny Coliseum Antsonjombe. Tsy nisy fanononana anarana fa hafatra mahitsy sy tsy misorona eo anatrehan’ny zava-misy sy mitranga eto amin’ny firenena. Misy anefa ny mety ho mahatsiaro ho voatsindrona manokana tamin’ny toriteny, izay lojika satria ny toriteny tsy misorona, tsy natao hanarontsaronana ny mety ho zava-dratsy sy zava-doza manjo na mety mbola hanjo ny ondrin’Andriamanitra izay tsy iza fa ny vahoaka. Manana adidy sy andraikitra amin’ny vahoaka sy ny firenena ihany koa ny Fiangonana, manana ny heviny sy ny fijeriny, mandroso tolo-tsaina sy vahaolana ho an’ny firenena. Sokajiana ho isan’ny arofanina sy mpamerin-doha eo anatrehan’ny mety ho tsy fihetezan-javatra. Mitory ny fahamarinana sy ny fibebahana. Natao mba hanomezana haim-panahy sy hahatonga ny olona hibebaka eo anatrehan’ny fandikàna ny didin’Andrimanitra. Ny olona tsirairay na iza na iza, mety efa voatsindrona tamin’ny toriteny ary mety hiteny anakam-po hoe: “tena izaho” mihitsy izany! Raha manana ny marina sy efa miaina ao anatin’ny fahamarinana avokoa ny olon-drehetra tsy misy ilàna an’izany intsony fa matoa toriana dia misy zavatra tokony hohatsaraina ao. Rehefa ny toriteny no tsy mahatonga anao hibebaka dia tsy toriteny izany. “Izay rehetra nanindrona ahy tao dia andinihako tsara ny tenako. Raha nitory lainga sy fampanantenana pokaty ny mpitoriteny dia azo raisina ihany, saingy ny fiangonana dia natao mihitsy hijoro sy ho sahy hilaza ny tsy mety, hitory ny fahamarinana, hanome tolo-tsaina ny entina sy ny mpitondra, hoy ny fanehoan-kevitra.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT