Mpitsara miisa 50 nahavita fianarana tao amin’ny Sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG no havoaka anio, ka hanao fihanianana eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony.
Ny 30 amin’izy ireo dia “Magistrats judiciaires”, 10 « magistrats administratifs, ary 10 « Magistrats Financiers ». Efa tamin’ny 24 mey no nomena diplaoma izy ireo. Ny olana anefa dia tsy voasonia ny didy fanendrena ny maha mpitsara azy fa ny minisitra vaovao no nahafahana nanao izay sonia izay, hoy ny Mpitsara Imbiky Herilaza, Talen’ny fampiofanana sy fianaran’asa eo anivon’ny ENMG tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy. Resabe teto amin’ny firenena ny resaka kolikoly teo anivon’ny ENMG, ka nezahana naka ny hevitr’ity mpahay lalàna ity. Hita fa nisy ny tompon’andraikitra maro niova, nofoanana ny fanadinana, ary tsy nijanona teo fa nisy ny fanokafana ny fanadihadiana sy ny fanenjehana mihitsy eny amin’ny Bianco, ary mandeha fa tsy miantona ireny dosie ireny, hoy izy. Mandeha ihany koa ny fitsarana ny fanadinana fifaninanana izay naverina, ary ny 23 jolay izao no tokony handeha ny fihodinana faharoa. Ny minisitry ny Fitsarana amin’izao fotoana dia 15 taona mahery no efa talen’ny sekoly ambony, ary sarotiny dia sarotiny amin’ny resaka kolikoly raha ny nambarany. Nanamafy ity tompon’andraikitra ity, fa tokony hitovy daholo ny zana-bahoaka. Hatreto dia mahita izahay hoe voatazona izay ezaka amin’ny ady amin’ny kolikoly izay, hoy hatrany Atoa Imbiky Herilaza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.