Actualités

Tontolon’ny Oniversite Hosaziana ireo mpampianatra mitokona ?


  • Talata 28 Desambra 2010

Ankoatra ny tontolo politika dia azo antoka koa izao fa hafampana ny eny amin’ny oniversite eny amin’io taom-baovao io. Tsy mbola nisy valiny mahafa-po avy amin’ny fitondrana tetezamita mantsy hatramin’izao ny fangatahan’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES, ka mety hiverina amin’ny fanaovana fitokonana indray izy ireo amin’ny 3 janoary 2011.

Ny ministra misahana ny fampianarana ambaratonga ambony, Tongavelo Athanase anefa etsy ankilan’izay dia nilaza mazava fa ampy izay ity fitakiana tombontsoa manokana ity. Loza mitatao ho an’ireo mpampianatra mitokona ny hoavin’ny zanaky ny Malagasy, hoy izy, ka tokony ho tonga saina amin’izay izy ireo. Hentitra ity ministra ity tamin’ny teny toa mandrahona nilaza hoe : «ho hitanareo eo fa hisy ny fepetra hentitra tsy maintsy horaisin’ny fanjakana manoloana ity fitokonan’ny andiana mpampianatra eny amin’ny oniversite ity amin’io volana janoary (2011) io, satria tsy azo ekena intsony ny fanaovana ho takalonaina ny mpianatra sy ny fampidirana fatiantoka ho an’ny firenena». Araka ny fanazavany ihany moa dia ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra na FLSH sy ny eny amin’ny DEGS ary ao amin’ny fakiolten’ny siansa sisa tsy nahavita ara-dalàna ny fanadinana fihodinana voalohany sy faharoa, fa ireo toeram-pampianarana hafa dia efa nahavita ny azy avokoa.

Maro, hoy Atoa Athanase ireo mpampianatra vonona ny hampianatra ka tsy tokony hosembantsembanin’ny olom-bitsy tsy mieritreritra afa tsy ny tombontsoany izany. Araka izany dia ho henjana ny raharaha eny amin’ny oniversite eny amin’io taona ho avy io, fa dia ho avy amin’ny angady sy ny harona izany ny FAT ka hanasazy avy hatrany ireo mpampianatra ao amin’ny SECES mbola midrikina. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa ny mety ho endrik’ity fepetra horaisina nambaran’ity ministra ity, fa ny azo antoka aloha, araka ny tsiliantsofina re dia tsy maintsy hilatsaka ny sazy. Tamin’ny fitondrana Ravalomanana moa dia efa notapahan’ny fanjakana am-bolana maro ny karaman’ireo mpampianatra nitokona teny Ankatso. Tsy hay koa anefa ny ho fanapahan-kevitry ny mpampianatra manoloana izay sazy hilatsaka eo. Ny teny miendrika fandrahonana miharo fandrirarirana ataon’ny FAT rahateo no nampirehitra ny afo eny amin’ny oniversite ity. 

Nangonin’i RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT