Raha ny fandaharam-potoan’ny fitsarana Malagasy hatramin’izay, dia «vakansy» ny mpitsara sy ny fitsarana manomboka ny 15 desambra 2010 ary tsy miverina miasa raha tsy ny 15 janoary 2011, izany hoe maharitra iray volana.
Tsy ny raharaham-pitsarana amin’ny maha-fitsarana azy akory no miato tanteraka, fa ny fitsarana famoahana didy ihany, ireo asa hafa kosa, tahaka ny fandraisana antontan-taratasin’ady, ny fampidirana am-ponja, ny taratasy ilain’ny olona eo anivon’ireo rantsa-mangaikany, dia mbola mandeha avokoa.
Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny mpiasan’ny fitsarana, dia milaza ny hitokona izy ireo aorian’ny «vakansy» izay ataon’izy ireo maharitra iray volana be izao. Ny antony, araka ny fanazavana azo ihany, dia mikasika ilay tambinkarama izay efa notakian’ireo mpitsara tamin’ity taona 2010 ity ihany, sy mikasika ny tombontsoan’izy ireo izay nanalana nomena sehatra hafa, (vondron-tafika moa no voatonona amin’izany), no hisian’ity ho fitokonana ny volana janoary ity. Araka ny fanazavana azo ihany dia mitentina eo amin’ny 1.000.000 ariary eo isan’olona ny tombontsoa sy tambinkarama mikasika ny asa natao ao anatin’ny lalàna mifehy ny mpiasan’ny fitsarana, tsy nisy afa tsy 300.000 ariary anefa no nalefan’ny fanjakana FAT tao anatin’ny taratasim-bola ho an’ny mpiasan’ny fitsarana tsirairay. Vokany, ny 80%-n’ny mpiasan’ny fitsarana tsy nandray ny vola noho ny hatezerana, niakatra 100% izany tsy nandray ny vola izany eny anivon’ny fitsarana tampony.
Ny fanazavana ihany no nahalalana fa ny 500.000 ariary tamin’io vola natokana ho an’ny mpiasan’ny fitsarana io dia nomena ho tombontsoan’ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana ary ny 200.000 ariary hafa kosa nalefa ho an’ny CT sy CST. Ny an’ireo mpiraki-draharaha (greffiers) kosa tambinkarama manodidina ny 800.000 ariary eo dia nifampizarana tamin’ny «Tsena Mora» sy ny CT sy CST ihany koa satria hoe «be loatra nefa be ny Malagasy mahantra, ka tsy maintsy hanalana fa samy mihafy sy mitsitsy». Midika izany fa misy tsy nilamina na efa ny filohan’ny FAT mihitsy no nihaona tamin’ireto mpitsara sy ny sendikany ireto. Ny tsiambaratelo heno nandritra ity resaka nifanaovana tamina mpitsara ity no nahalalana fa tsy ny mpitsara ihany no hanao ny fitokonana ny taona vaovao io, fa hiditra ao anatin’izany koa ireo rantsa-mangaikan’ny fitsarana ahitana ny mpiraki-draharaha.
Raha izay tokoa no miseho dia vao hanomboka izany ny taona 2011 dia efa hangotraka, satria ho an’ny SECES dia hifarana ny 02 janoary koa ny fiatoana kely noho ny fety mikasika ny fitokonan’izy ireo hitakiana ihany koa tombontsoa mby an-tanana fa nalan’ny fanjakana FAT tamin’ny tambinkaraman’izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.