Actualités

Tontolon’ny fampianarana Potehan’ny krizy tsimoramora


  • Zoma 16 Martsa 2012

Grevy ! Io no mampalaza ny oniversite eto Madagasikara. Mitokona ny mpampianatra fa mitaky ny hampiharana ireo didim-panjakana efa neken’izao fitondrana tetezamita izao ihany, tamin’ny oktobra 2009.

 Tsy miova ny fitakiana, 800 000 ariary ny tambin-karama amin’ny fikarohana. Manome fe-potoana hatramin’ny 30 martsa mba handoavan’ny fanjakana io vola io ny sendikan’ny mpampianatra mikaroka ny SECES. Mihetsiketsika ihany koa ireo mpianatra eny amin’ny oniversite ary mitaky ny hanohizana haingana ny fampianarana, ary raha atao aza hoe miverina mampianatra ny SECES rehefa afa-po tamin’ny fitakiany, dia azo antoka fa hitokona noho ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana indray ny mpianatra, dia mety hanao ny ataony koa ireo mpiasan’ny oniversite. Raha noheverina fa maivana ny fitokonan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana eny amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa, izay tarihan’ny SEMPAMA, tany am-boalohany, dia hita fa manomboka miha mahazo olona sy mampatahotra izy io ankehitriny. Mitombo isa ireo mpampianatra tsy mety miasa any amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

Mazava ho azy fa resaka karama sy fijerena manokana ny sata mifehy azy ireo, no mampitokona ireto mpampianatra ireo. Ny mpampianatra FRAM moa dia mety ho avy hanatevin-daharana eny ihany, vantany vao tara indray ny fandoavana ny karama, ary raha izao fitrangany izao, dia mety hitarika fampisondrotan-karama koa atsy ho atsy ry zareo, satria toa izay izao no lamaody eto. Mandalo krizy, noho izany rehetra izany ny fampianarana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Manampy trotraka izany dia mijoro isaky ny elakela-trano izao karazana sekoly sy oniversite tsy miankina rehetra izao, tsy misy ny fanaraha-maso hentitra ataon’ny fanjakana amin’izy ireny, fa dia mijoro tahaka ny mpivarotra enta-madinika sy ny mpivarotra mofo gasy izy ireny. Matahotra ny miaramila manana basy ny fanjakana ka nijery haingana sy nanatanteraka ny fitakian’izy ireo. Matanjaka koa ny mpampianatra manerana ny Nosy, na dia tsy manana fitaovam-piadiana aza.

Koa raha tsy mahita vahaolana haingana ny fitondrana tetezamita dia ho zava-doza no hitranga eto, fa mety ho tratran’ny taona fotsy faobe izany ny zanaky ny Malagasy amin’ity taona ity, na amin’ny taom-pampianarana manaraka eo. Tsy afa-bela tamin’ny krizy ny tontolon’ny fampianarana eto amintsika, ary vao miha nanimba azy ny fidiran’ny politika sy ny vola lalina loatra tao anatiny. Tsikaritra fa tsy mitsahatry ny mihena ny fahaizan’ny mpianatra Malagasy, satria sady noana izy ireo, no tsizarizary ny kalitaon’ny fampianarana, no mbola mihena ihany koa ny fotoana hianarana satria mitokona isaky ny mihetsika ny mpampianatra. Hoy ny be vazivazy izay hoe : fanabadoana no misy eto fa tsy fanabeazana !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT