Notanterahina nanomboka ny faran’ny volana mey ka hatramin’ity volana jona ity ny « marquage au sol » iandraiketan’ny Sampandraharaha misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena eto an-drenivohitra na DTMU (Direction des Transport et de la Mobilité Urbaine) eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo mba handrindrana ny fifamezivezen’ny mpandeha an-tongotra sy ireo fiara.
Teny Ambatobe no nanombohana ny asa, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Lycée Français. Nasiana « passage piéton » ho fiarovana ny mpianatra tsy afaka mandeha amin’ny sisin-dalana na ny « trottoir » intsony noho ny fisian’ireo fiara miantsona eny amin’ny sisin’ny arabe, ary nisy ihany koa ny fametrahana « plot » ary « panneau de signalisation » mba ahafahan’ireo mpianatra miampita ny arabe. Ho an’ny teny Ampandrianomby kosa dia sady nasiana « passage piéton » no nasiana « limitateur de vitesse » mba hahafahan’ireo fiara mandeha mora. Ny « marquage au sol » teny Ampasampito kosa indray dia noho ny fisian’ny tetikasa fanamboarana ny tetezana eny Antsakaviro izay misy rano miakatra matetika. Izy ity dia vokatry ny fiaraha- miasan’ny Kaominina amin’ny PIAA (Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo) sy ny AFD (Agence Française de Développement) ary hotanterahina ny volana jolay sy aogositra. Hisy, araka izany, ny fandaminana ny lalan’ireo fiara miainga eo amin’ny Route circulaire – Besarety – Avaradoha ary Mahazo, hanjary lalana hahafahan’ny fifamezivezen’ny fiara 2 ny lalana eny Ampasampito.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.