Actualités

Tondra-drano Tafiakatra 20 ireo namoy ny ainy


  • Alarobia 04 Martsa 2015

20 ny olona namoy ny ainy noho ny rano miakatra teto amintsika, 71 854 ny traboina ry tsy maintsy nafindra monina ny 38 498 tamin’ireo, mahatratra 6 339 Ha ny tanimbary dibo-drano tanteraka

 

. Ny faritra Analamanga moa no tena voa mafy, fa nisy ihany koa ny fahavoazana sy ny olona maty tany Alaotra Mangoro sy Vakinankaratra. Hatry ny omaly hariva dia mbola manankery ny loza mihatra amin’ny tondra-drano ho an’Antananarivo, raha araka ny fanambarana navoakan’ny APIPA. Na somary maivana kokoa aza ny rotsak’orana dia mbola avo ihany ireo renirano telo mamakivaky an’Antananarivo, ka atahorana ny fahavakisana fefiloha tahaka ny eny Ampasika. Ny eny Andranotapahana aza moa omaly dia efa nihoatra teny amin’ny arabe mihitsy ny rano, ankilan’izay dia efa nampandre ireo mponina eny amin’ny faritra avo eto an-drenivohitra mba ho mailo ny BNGRC satria efa hita fa maro ny faritra misy tany mihotsaka, izay mety hitarika firodanana trano ihany koa.



RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT