Tsy mbola afaka ny loza ! Na dia nahitana fisentoana kely aza ny rotsak’orana tao anatin’ny 48 ora izay dia mbola mijanona ho faritra mena hatrany aloha ireo faritra lalovan’ireo renirano lehibe toa an’i Ikopa, Sisaony, Tsiazompaniry ary Imamba. Fampitandremana napetraky ny tompon’andraikitry ny ady amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo izany.
Ho an’ny Fokontany Ambodirano Ampefiloha manokana, noho ny fisian’ireo moto pompe telo avy amin’ny minisiteran’ny mponina sy iray avy amin’ny fiaraha-mientan’ny vahoaka dia nahitana fihenana 5 santimetatra ny haavon’ny rano. Tsy mbola nihena kosa ny isan’ireo traboina, araka ny fanazavan’Atoa Randrianasolo Philibert, lehiben’ny fokontany. Mba ho vonjy rano vaky dia tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny birao nasionaly mpandrindra ny ady amin’ny vokatry ny loza voajanahary (BNGRC) nanolotra vary 100 kitapo, voamaina 50 kitapo, siramamy 20 kitapo sy lamba “frippe” 5 kitapo. Ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rahasimanana Paul Bert na i Rossy dia nanolotra ihany koa vary sy lamba “frippe” ho an’ny traboina eny an-toerana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.