Actualités

TONDRA-DRANO ETO ANTANANARIVO Efa nampoizina, hoy ny HAFARI Malagasy


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Efa nampoizina ny tondra-drano eto Antananarivo toy izao mitranga izao, hoy ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Efa nanomboka tamin’ny volana jona mantsy izy no efa nanazava ny mikasika izany matetika tamin’ny mpanao gazety noho ny

 

 

fanotoran-tany atao etsy sy eroa izay mody tsy resahina, ny tsy fahaizan’ny mponina miaro ireo fotodrafitrasa misy (fandefasana fako anaty tata-drano), ny fahateren’ny tanàn-dehibe ary ny fiavian’ny rotsak’orana be loatra izay efa fantatra mialoha ihany koa. Tokana ihany ny vahaolana aroson’ny fikambanana dia ny fanitarana amin’ny fananganana tanàna vaovao toy ny efa misy eny Soaniedanana. Mpitarika fotsiny ny HAFARI, hoy hatrany izy fa tokony handray anjara amin’izany avokoa ny rehetra manomboka amin’ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ka hatramin’ny fanjakana hahafahana mampihena ny mponin’Antananarivo.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT