Tsy nisy tanteraka na dia iray monja aza ny fiitakian’ireo sendika isan-karazany ka izao no nahatonga ny Randrambaon’ny Sendika (SSM) nanamafy omaly fa tanterahana anio alakamisy ny diaben’ny tolona sendikaly.
Eny Ambohijatovo no hifanome fotoana izy ireo ny maraina ary dia hanainga ny fidinana an-dalambe mizotra mankany amina toerana iray, eto an-drenivohitra ihany saingy tsy mbola nambaran’ireo mpitarika moa izany omaly. Amin’ity anio ity vao ho fantatra ny toerana. Tsy manaiky hofitahana intsony izahay, hoy ry zareo avy ao amin’ny SSM ka hampiseho ny herinay. Nokianin’ny sendika mafy ohatra ny mbola fisian’ny kolikoly any anatin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ohatra iray amin’izany ny mbola nanekena hanomezana vola fanampiana (Subvention) amina miliara ny Jirama kanefa dia manjaka ny fanodinkodinam-bola ao anatin’io orinasam-panjakana iray io. Hatreto dia tsy natao ihany koa ny fanadihadiana ireo manampahefana ahiana ho nandika lalàna, nanao kolikoly sy nanao hadalana tamin’ny fitantanana araka ny notakian’ny sendika. Izany rehetra izany no mahatonga anay mbola mitolona ary tsy hijanona izahay raha tsy tanteraka ny fitakiana, hoy ny filohan’ny SSM Fanirisoa Ernaivo. Hetsika sendilkaly no atao amin’ity alakamisy ity ka noho izany tsy mila fangatahana fahazoan-dalana avy eny amin’ny prefektiora, hoy hatrany ny mpitarika. Sendika maro be avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina moa no efa nilaza fa hamaly ny antso amin’ny rodobe hotanterahana anio.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.