Nafana dia nafana ny tolona sendikaly tamin`ity indray mitoraka ity kanefa zon`izy ireo no takiany. Omaly no namoaka ny didiny ny filankevi-panjakana ka naato ny didy famindran-toerana sy fanasaziana an`ireo mpiasa nikasa hanangana sendika eo anivon`ny toeram-piasana misy azy.
Dingana lehibe ho an`ny tolona sendikaly izao, hoy ny filohan`ny SMM, Rtoa Faniry Ernaivo, ary fanoherana ny didy navoakan`ny fanjakana no natao. Manomboka mifoha amin`ny torimasony ireo sendika manerana ny nosy ankehitriny izay mitaky hatrany ny fanatsarana ny asa eto amintsika ary voaporofo omaly fa manana ny hasiny ny sendika eto Madagasikara. Raha ny zava-misy eto Madagasikara, mbola sarotra ny fanatanterahana ny fanatsarana ny asa satria tsy misy ny “bonne gouvernance”, ny fanarahan-dalàna, fanatanterahana didim-pitsarana. Mifanohitra amin`ireo no mitranga eto amintsika satria rehefa tenenina ny mpampiasa hoe mba tanteraho ny didim- pitsarana na araho ny lalàna mifehy ny asa na koa hajao ny tany tan-dalàna dia voavely kibay avy hatrany ireo mpiasa na koa ny sendika. Raha tsiahivina, nisy ireo polisy, inspektora sy borigady, nanao fanambarana fa hanangana sendika eo anivon`ny polisim-pirenena no tratran`ny atsonjay. Tsy nankasitrahan`ireo tompon`andraikitra misahana ny minisiteran`ny filaminana anatiny ny fanaganana sendika ka iharan’ny fanasaziana amin`ny endrika famindran-toerana (affectation). Mbola mafy noho izay ny sedrain`ny lehiben`ny sampandraharaha teo amin`ny valanjavaboary ao Tsimbazaza izay navarina ho mpikarakara zaridaina avy hatrany. Raha zohina dia tsy nisy fahadisoana tamin`ny asany avokoa no nahatonga an`ireo sazy ireo fa vokatry ny ny disadisa sendikaly, hoy hatrany ny fanazavana nentin`ny filohan`ny SMM. Nohamafisin`i Rado Rabarilala, anisan`ireo miandry didim-pitsarana ihany koa, fa tokony hositranina any ifotony mihitsy ireo zavatra misy eto amin`ny firenena. Raha mipetraka ny fanjakana tsara tantana sy fanjakana tan-dalàna ary foana ny kolikoly dia azo antoka fa ho tanteraka ny didim-pitsarana. Mazava ankehitriny fa niniana nodikaina na tsy noraharahaina mihitsy ny lalàna tamin`ny fanasaziana an`ireo mpiasa ireo raha izao didy navoakan`ny filankevi-panjakana izao. Mbola mitohy anefa ny tolona satria hiroso amin`ny fandravana ny didy ny SSM amin`izao fotoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.