Mitohy hatrany ny fanampiana ireo niharam-boina avy amin’ireo firenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara. Fantatra ary izao fa dia namoaka vola mitentina 400.000 dolara ny banky iraisam-pirenena ho voin-kava-mahatratra. Fantatra izany omaly nandritra ny fanambarana nataon-dRtoa Coralie Gevers
solontena maharitry ny banky iraisam-pirenena eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ilay fanampiana maika avy amin’izy ireo ity vola ity ka asa tanamaro no atao na (HIMO). Ireo faritra tena hita fa voa mafy manerana ny Nosy no hahazo tombony amin’izany ka ireo fotodrafitrasa simba no tena kendrena asiam-panamboarana. Ny FID no hitantana ny vola sy hiantoka ny fahavitan’ny asa ka mponina miisa 4 050 no hahazo tombony mandritra ny roapolo andro.
Nangonin’i Tojo
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.