Actualités

Toliara Zazavavy kely 4 taona nohitsahina fiara Mazda, maty tsy tra-drano


  • Alakamisy 22 Mey 2014


 Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tany Toliara, afak’omaly tamin’ny efatra ora tolakandro, amin’ny lalana manoloana ny biraon’ny zandary Mahavatse. Ankizivavy kely 4 taona niampita arabe tampoka no nohitsahina fiara Mazda miloko mena ka maty tsy tra-drano ary niparitaka hatramin’ny atidohany. Tamin’ny fotoana nandalovanay teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza, dia mbola hita tavela teo ny volon’ilay zaza maty voahitsaka. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso ity loza ity, dia nobatain’ilay mpamily tao anaty fiarany ilay zaza efa tsy nisy aina intsony nentiny tany amin’ny hopitaly. Asa, noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka angamba na nanantena ilay mpamily fa mety mbola ho avotra ilay zaza voadona.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT