Actualités

Toliara II Mpivady niady, vaky loha voafira famaky rangahy


  • Alarobia 14 Mey 2014

Adin’ny mpivady niafara tamin’ny sakoroka.

 Raim-pianakaviana iray no naratra mafy vaky loha voavely vodim-pamaky nanandrify ny fihirifany, omaly naraina tany Anketa Andranovory, Distrikan’i Toliara II. Raha ny fanazavana azo dia miady matetika ireto mpivady ireto ary novonoin-drangahy ramatoa vadiny afak’omaly alina ka naratra mafy ary nitaraina tany amin’ny fianakaviany avy eo. Tsy nahatsindry fo ny iray tamin’ny anadahiny ka nandeha tany amin’ny zaodahiny nangata-panazavana. Niafara tamin’ny ady sy fikasihan-tanana ny fifanazavan’ny roa tonta avy eo. Nentin-katezerana ny anadahin-dramatoa ka namely ny zaodahiny ny famaky teny an-tanany. Nijininika ny ra. Raha ny fanampim-baovao azo farany tamin’ny ora nanoratanay, dia ny zaodahiny izay namely famaky azy ihany no nitondra ity raim-pianakaviana naratra ity tany amin’ny tobim-pahasalamana hotsaboina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT