Actualités

“Tolérance zéro” Aoka tsy ho lasan-ko vavany fotsiny


  • Talata 24 Febroary 2015

Manohana tsy am-pisalasalana ny lehiben’ny governemanta Ravelonarivo Jean ny tsy handefitra mihitsy amin’ny zava-misy mampalaza ratsy ny fitsarana ny mpisolovava Razafinjatovo Willy. Ho hita amin’ilay ny didim-pitsarana mahakasika ny praiminisitra izay hivoaka anio rahateo ny fampiharana ilay

 

«tolérance zéro» nambarany ny faran’ny herinandro lasa teo, araka ny fanazavany. Sady tsy nanana porofo mazava moa ny fitsarana no tsy nanaiky ihany koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ireo olona notoriana narovany. Nahatsapa ny fisian’ny tsy rariny angamba andriamatoa praiminisitra ka nisintona ity fitoriana nataony ity, araka ny fahitan’ny maître Olala azy. Tokony ho afaka madiodio ireo olona voarohirohy ireo noho izany. Raha sanatria anefa ka tonga amin’ny fanasaziana ny valin’ny didim-pitsarana dia mbola voaporofo indray ny fisian’ny tsindry bokotra sy ny fomba mamohehatra eo anivon’ny fitsarana. Andrasantsika moa ny fanajan’ny praiminisitra ny teny nomeny sy ny fandraisany andraikitra avy hatrany amin’ny fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny rariny ka mba tsy ho lasan-ko vavany fotsiny, hoy i maître Razafinjatovo Willy.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT