Ny zoma teo, raha niverina avy nanatitra fiarakodia tany amin’ny toeram-piasany tao Esokaka ity tovolahy iray no saika hanaovan’ny andian-jatovo mirongo zava-maranitra angaredona. Mbola herotrerony satria manodidina ny 16 ka hatramin’ny 18 taona eo izy ireo.
Tsy misaron-tava ary samy tsy tompon’ny tenany. Vao nahita an’ireto andiana tanora ireto ilay tovolahy dia niantso vonjy tamin’ny namany tamin’ny alalan’ny findainy. Tsy niandry ela ireo nantsoina dia tonga tamin’ireo toerana nisehoan’ny sakana. Raikitra ny fifanenjehana eran’ny kartie, nisy mihitsy ny fanapoaham-basy tifi-danitra fampitandremana nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Vokany, tsy afa-nandositra ny sasany tamin’izy ireo fa noraisim-potsiny. Rehefa nosavaina dia antsy maranitra sy sigara be no tany amin’izy ireo. Fantatra fa andian-jatovo nampihorohoro tao an-drenivohitra Anôsy ireto tratra ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.