Nisy namaky ny biraon’ny Cisco-n'i Tolagnaro ny faran'ny herinandro teo iny.Very ireo fitaovana ampiasaina toy ny solosaina boky sy kahie....
Tsy mbola fantatra ny nahavanon-doza na niezaka namantatra aza ireo tompon’andraikitra. Fahaverezana nandritra ny fotoam-panadinana bakalorea izy io. Mampanahy ihany ny toy izao satria lasibatry ny mpamaky trano koa ny biraon'ny Dren Anosy, Tsy misy valaka tamin'ny fahavakisan'ny toeram-piasan'ny cisco ilay izy. Lasan'ireo olon-dratsy avokoa ireo fitaovam-pianarana lafo vidy Mampanahy ny fahavakisana toy izao satria tsy teo amin'ny varavarambe no nidirana fa amin'ny varavarankely. Na efa nandeha aza ny fanadihadiana tsy mbola nahitam-bokany hatramin'izao. Ao Tolagnaro moa dia saika isan'andro no ahitana trano vaky sy entana very.
Onesime Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.