Actualités

Toetr’andro Mbola hitohy hatramin’ny volana Aogositra ny hatsiaka


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Tena miaina ao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika ankehitriny. Misy mihitsy aza erika mifafy indraindray izay nambaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby fa ivon’ny ririnina no mahatonga izany.

 

Raha somary niato kely anefa izany ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa hitohy amin’ity andron’ny Alatsinainy ity indray ka tokony samy hiomana amin’ny akanjo mafana sy ny satroka avokoa ny rehetra ho fitandroana ny fahasalamana. Mbola hitohy hatramin’ny volana Aogositra ny hatsiaka ho antsika eto Madagasikara hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Tafiditra hatrany amin’ny 2° C ny ambany indrindra amin’izany ka anisan’ny efa miaina izany ny ao Antsirabe sy ny manodidina. Ho antsika eto an-drenivohitra indray dia 7 °C ny maripana farany ambany indrindra raha tsy mihoatra ny 20 °C ny ambony indrindra. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ny 14 Aogositra ho avy izao araka izany no mbola tena ho tratran’ilay hatsiaka be ka tokony samy hiomana amin’izany avokoa ny Ray aman-dReny rehetra. Efa manomboka  milamindamina kosa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka ny 03 septambra saingy na izany aza tokony hiomana daholo ihany ny rehetra. Tsiahivina moa fa karazan’aretina maro no ateraky ny hatsiaka toy ny sery, ny kohoka, ny vavony, ny aretin’ny vanin-taolana, ny goty, ny aretin-kibo ka tokony samy hitandrina ny tsirairay.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT