Actualités

Toetr’andro Vao maika hamirifiry ny hatsiaka


  • Alatsinainy 02 Jona 2014


 Efa tafiditra ao anatin’ny ririnina tanteraka isika ankehitriny. Izay indrindra no mahatonga ny hirifiry namely mafy teto afovoan-tany indrindra tamin’iny herinandro lasa iny. Nilaza ny sampandraharaha mpaminavina ny mety ho toetry ny andro fa vao mainka hihamafy ny hatsiaka amin’ity herinandro vaovao ity. Anio ohatra dia mety hilatsaka 6 hatramin’ny 7 degre ny hafanana ny maraina eto an-drenivohitra raha 9 degre izany tamin’ny herinandro lasa. Vokatry ny fisian’ny «talweg frontal» no mahatonga io hatsiaka be io. Hisy orana manify koa ny tolakandro raha manorana mihitsy any amin’ny morontsiraka atsinanana. Araka izany dia tsy tokony hisaraka amin’ny akanjo mafana sy aro orana rehefa mivoaka ny trano. Ilaina koa ny mihinana sakafo manome hery toy ny voankazo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT