Tsy ny lalàna no ratsy fa ny fampiharana azy no goragora ka tsy nampahomby ny ady atao amin’ny tsy fihinanana paraky sy fifohana sigara teto amintsika hatramin’izay, hoy ny Dr Jacques Mampianinarisoa tale jeneralin’ny Ofnalat (ofisim-pirenena miady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky) omaly tetsy Analakely. Izay mamoaka izany lalàna izany, hoy izy, dia mitondra ny azy miaraka aminy avokoa rehefa tsy eo amin’ny toerana intsony izy. Ankehitriny isika dia efa voafatotry ny fifanarahana lasitra iraisam-pirenena navoakan’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) ka tsy maintsy mampihatra miaraka amin’ny mpikambana rehetra izany ara-bakiteny ka nahitam-bokatra tokoa izany. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia ho hampiharina ara-bakiteny amin’izay manomboka amin’ny volana oktobra 2014 ny lalàna manankery milaza fa tsy azo atao ny mifoka sigara ao anatin’ny faritra rehetra voafefy ara-dalàna ka hifamezivezen’ny olnoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.