Actualités

Toeram-pitsaboana OMSI Toamasina Fito taona tsy nisy fivoriamben’ny mpikambana


  • Talata 27 Mey 2014

Miteraka ahiahy amin’ireo mpikamban’ny OMSI (Organisation Medico Sociale Inter Professionnelle) na toeram-pitsaboana ho an’ny mpiasan’ny orinasa tsy miankina ao Toamasina, ny tsy fisian’ny fivoriam-ben’ny mpikambana tao anatin’ny fito taona.

  Ny lalàna anefa milaza fa tsy maintsy atao isan-taona izany ary ny komitim-pitantanana no mampiantso ireo mpikambana. Efa nisy ihany ny fangatahan’ny mpampiasa ny taona 2010 hanaovana fisavana ny kaonty, saingy tsy nisy nihaino. Izao vao nivaly ny hetahetan’ny mpikambana. Fantatra fa hisy fivoriamben’ny mpikambana ny alarobia tolakandro, entina hanapahana ny vola nampiasaina ny taona 2013 ihany, izany hoe baraingo ny taona 2008 – 2012, ary mandritra izay koa vao hampahafantarina ny mpikambana ny fampiasam-bola ataon’ny OMSI amin’ity taona 2014 ity. An-kilan’izay, dia tsy nahitan-teny ny teo anivon’ny minisiteran’ny asa (?), sy ny DSST (Direction Sociale Sanitaire des Travailleurs) ny minisiteran’ny fahasalamana (?) izay samy mpanara-maso, anisan’ny mpikambana eo anivon’ny komitim-pitantanan’ny OMSI. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa karamaina 9 hetsy Ariary ireo mpikamban’ny komity mpitantanana miisa 18, ka 6 avy amin’ny mpiasa, 6 mpampiasa, 2 minisitera, 3 mpiasan’ny OMSI, 1 Inspektera momba ny asa, nefa adiny roa na telo isam-bolana ihany izy ireo no mivory. Miisa 1.000 eo ny orinasa tsy miankina mpikambana ao ankehitriny, ka maro an’isa amin’izany Ambatovy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT