Actualités

Toeram-pamokarana herinaratra ao Ambatolampy 4 MW fa tsy 20 MW no vitany hatreto aloha


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Famitahana sy fampiesonana vahoaka ve sa tena tsy fahamatorana amin’ny fomba fiasa noho ny fahataitairana fa dia re izao fa tsy mahavokatra herinaratra afa-tsy 4MW amin’ilay 20 MW nambara ilay toeram-pamokarana herinaratra lehibe amin’ny alalan’ny masoandro natsangana ao Ambohipihaonana Ambatolampy

 

 izay notokanana ny sabotsy 23 jona lasa teo. Tsy manaraka fenitra io ivontoerana vaovao io, hoy ny teknisianina iray nanontaniana satria tsy manana fitehirizana aratra na “batterie de stockage”. Io fitaovana io no  mitahiry ny herinaratra azo avy amin`ny masoandro. Tsy mbola araka ilay fampanantenana be nataon’ny filoham-pirenena tonga tany an-toerana ny vokatra azo ary ahiana aza fa hampikorontana ny fitsinjarana herinaratra mihitsy. Fa ankoatr’izay dia nambaran-dRatovomananarivo Anmorà, mpitondra tenin`ny fiombonan`ny sendikan`ny Jirama, fa efa voaheloka ny tale jeneralin`ny orinasa, Jaomiary Olivier. Rehefa misy didim-pitsarana dia tokony hiato avy hatrany ny fifanarahana arak’asa. Tamin`ny tapa-bolana dia namoahan`ny fitsarana sazy 20 andro fidirana an-tranomaizina, sazy mihantona miampy fandoavana lamandy. Nohamafisiny ihany koa fa lasan`ny orinasa ivelany ny asan`ny JIRAMA. Ny toeram-pamokarana herinaratra any Mahajanga dia nomena ny Tiorka ny fahefana mitantana azy. Tsy manana toeram-pamokarana herinatra hotantanina intsony ny orinasa afa-tsy ireo toeram-pamokarana rano. Ohatra iray noresahin-dRatovomananarivo Anmora ihany koa ireo “branchements” nanaovana tolo-bidy, hany ka orinasa hafa no manatanteraka azy. Leo ny politikan`ity orinasa ity ireo mpiasa ka nanohy ny fitokonana. Ahiana ho tahaka ny SOLIMA teo aloha ny JIRAMA raha mitohy izao. Hiakatra ny vidin-jiro ary ahiana hiakatra avo telo heny amin`ny taona 2020 raha tsy misy fandraisan’ny fanjakana andraikitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT