Actualités

Toekarena Navotan-dRavalomanana ny FAT


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Vola Razafindramiandra dia nihena be mihitsy ny vidin’ireo entana fanondrana mahazatra tahaka ny lavanila, io anefa no nampidi-bola vahiny voalohany teto Madagasikara hatramin’izay.

Noho izany antony izany dia nitongilana ny «balance de paiement» na ny fifandanjan’ny entana aondrana sy hafarana ho antsika tamin’ity taona 2010, satria kely sy tena maivana ny sandan’ny entana naondrana raha oharina amin’ny entana nohafarana. Mazava ho azy fa nihena nanaraka izany ihany koa ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Mahavelom-bolo anefa ny zava-misy, hoy ihany Atoa Vola Razafindramiandra satria azo hitsaboana izany ny fanondranana ireo harena an-kibon’ny tany hataon’ny QMM sy ny Sherrit izay tena handrotsaka vola be tokoa amin’ny fanjakana Malagasy manomboka amin’ny herintaona. Dia mbola manaporofo ihany izany rehetra izany fa mamantam-bonona amin’ireo tetikasa nolovainy tamin’ny fitondrana teo aloha fotsiny ny FAT. Tahaka ny inona anefa ny fanakianana an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’izy nanaiky ny hiara-kiasa amin’ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany roa goavana ireo.

Nambara mihitsy tamin’izany fotoana fa mivarotra tanindrazana ny fitondrana ary mahazo vola be amin’ireo vahiny ireo ny mpitondra. Raha tafakatra teo amin’ny fitondrana moa i Andry Rajoelina dia nilaza avy hatrany fa tsy maintsy misy zavatra ahitsy ny fifanarahana nataon’ny fanjakana Malagasy tamin’ny Sherrit tao Ambatovy sy ny QMM any Tolagnaro, ity farany aza moa dia efa nandefasana miaramila mirongo basy mihitsy nosavaina, noho ny antony tsy fantatra mazava hatramin’izao. Rehefa nandeha teny anefa ny andro sy ny volana dia toa nangina tsimoramora ilay hoe fanavaozana ny fifanarahana, tsy fanao rahateo izany ary ho sarotra ho an’ny FAT izay tsy mijoro ara-dalàna ary tsy eken’izao tontolo izao ny hanery ireto orinasa vahiny matanjaka ireto hanao izay sitrapony. Ny tena marina dia hitan’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy fa tena mampidi-bola be tokoa ho an’ny fitondrana Malagasy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany atao eto ka tsy sahy nila vanona tamin’ireo orinasa vahiny ireo intsony izy ireo.

Tetsy ankilan’izay, raha tsy nisy ireo orinasa roa ireo isika dia taiza no nahita vola vahiny tsy maintsy ilaina amin’ny fanafarana soilika sy fanafody ary entana maro samihafa ? Tsy ho vita mantsy ary tena nofinofy mihitsy ny hampiakatra indray ny vidin’ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izay hany loharanom-bola vahiny tena natanjaka teto hatramin’izay. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa namela vola an-jatony tapitrisa dolara maro tao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ny fitondrana teo aloha izay novantanin’ny FAT ary ampiasainy tsara mihitsy. Fehiny, navotan-dRavalomanana ny FAT izay sady tsy mahazo famatsiam-bola avy any ivelany no tsy manana tetikasa goavana hitadiavam-bola.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT