Salama ary miha salama hatrany ny toe-bolan’ny Kaominina Antananarivo (CUA), hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely,
nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny filankevitry ny tanàna amin’ity taona 2018 ity. Iriana, hoy izy, ny mbola hitomboan’izay fampidiram-bolan’ny CUA izay. Tratra ny fetr’isa hahafahana manao ny fivoriana satria mpanolotsainan’ny tanàna 38 amin’ny 54 no tonga niatrika tao. Nisy ny fanomezan-dalana avy amin’ny prefen’ny polisy. Nampahafantarina omaly koa ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Livasoa Razafindrasolo, ao amin’ny Boriborintany faha-4, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Tena ifantohan’izao fivoriana ara-potoana izao ny fijerena ny fitantanam-bolan’ny Kaominina tamin’ny taona 2017 sy ny fanampin’ny tetibola amin’ity taona 2018 ity. Anisan’ny nodinihina ankoatra izay koa moa ny tetikasa maro toy ny fanitarana an’Antananarivo sy ny resaka tsangambato ho fahatsiarovana ny filoham-pirenena teo aloha, Zafy Albert.
J. Mirija
Legend: Tetsy amin’ny CUA omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.