Actualités

Toamasina : Tra-doza ny «pompier» Roa maty tsy tra-drano, fito naratra mafy


  • Talata 14 Desambra 2010

Nivadika ny fiaran’ny pompier hany tokana ao Toamasina, 2 no maty, 7 hafa naratra. Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro tany ho any ny Alatsinainy 13 desambra no nitrangan’ny loza teny Mangarivotra akaikin’ny fiangonana masindahy Paul Mangarivotra, raha ndeha hamonjy ny fahamaizan’ala mirefy 4ha any Tanandava iny ilay fiara mpamonjy voina, izao tra-doza izao.

Mifamahofaho ny fandrenesana ny vaovao noraisina teny an-toerana, noho ny fahatairana sy fikoropahana, nanambara ny nanatri-maso fa fialàna posy nibahabahan-dalana sy posy iray mitondra hazo no nampivadika ity fiaraben’ny pompier ity. Nanambara kosa ny mpiasan’ny pompier iray fa niala lehilahy iray niampita arabe teo anoloan’ny OTIV Mangarivotra no fototry ny loza. Naratra avokoa ny mpiasa mpamonjy voina tao anatin’ilay fiara be, ny iray aza moa namoy ny ainy maty tsy tra-drano i Dezy, izay teo ambonin’ilay fiara, ary voatsindry tao rehefa nivadika ilay fiara, satria nisaringotra tamin’ny tohatra ny tongony. Fa iray hafa koa namoy ny ainy, ilay mpitondra posy voasoroky ny fiara teny ankilan’ny arabe. Avy hatrany moa dia noraisin’ny teny amin’ny Hopitaly Be Toamasina an-tanana ireo tra-doza tamin’izao, ary nomena ny fikarakarana voalohany sy noraisina an-tanana avy hatrany. Samy tonga teny an-toerana nijery ifotony izao teny amin’ny hopitaly be ireo tompon’andraiki-pahefana notarihan’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, ny PDS-n’ny Kaominina, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita.

Hatramin’ny fotoana nandefasana ny vaovao, dia eo am-pitsaboana sy ampihazonana ny ain’ireo maratra mafy eo anivon’ny «réanimation» ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly be. Dona mafy amin’ny loha, fahatapahana maromaro amin’ny taolana avokoa moa no mahazo ireo mbola tsaboina amin’izao fotoana izao ireo araka ny fanazavan’ny mpitsabo izay misahana ny fitsaboana azy fito ireo.
 
Fanja Aina sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT