Actualités

Toamasina Namelaka tehamaina ingahy PDS


  • Talata 18 Janoary 2011


Niteraka savorovoro tao amin’ny biraon’ny Kaominin’i Toamasina ny felaka tehamaina nataon’ny PDS Rakotovao Mariot tamina mpiasa iray avy amin’ny orinasa manamboatra ny Lapan’ny tanàna. Nampangaina ho nangalatra ilehio. Raha nanontaniana ireo mpiasa dia nanambara fa «nosoketaina ho nangalatra ‘contre-plaqué’ sy varavarana iray izahay, raha nitondra izany tanaty fiara, araka ny baikon’ny sefonay ihany, ny sabotsy teo». Nambaran’izy ireo hatrany fa «nampanantsoina tao amin’ny biraon’ny PDS izahay miasa rehetra eto androany maraina (ndlr : omaly), nolazainay ny marina fa baikon’ny sefonay».

«Teo anefa no tonga tampoka ny famelahana tehamaina nataon’ny PDS ahy, namely koa ny mpiambina azy manokana», hoy ilay mpiasa niharan’ny herisetra. Raha nanontaniana tamin’ny alalan’ny finday ny PDS dia nilaza fa «ny lefitra voalohan’ny PDS mihitsy no nahatratra ny halatra ‘contre-plaqué’ sy varavarana nataon’ireto mpiasa ireto, ka nilaza ny hamerenana izany amin’ny laoniny». Raha tonga teo anivon’ny Kaominina ny mpanao gazety nanadihady mikasika ity raharaha ity dia miala bala avokoa ireo rehetra nanontaniana. Ankoatra izay, fantatra fa tsy tao Toamasina ny lehiben’ny mpiasa sy tompon’andraikitra voalohan’ny orinasa manamboatra ny Lapan’ny tanàna tamin’ny fotoana nitrangan’ity tehamaina ity. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT