Taorian’ny fitokonana nampitsaharan’ny mpiasa ny asany teo anivon’ny ladoany na tsy an-tery aza izany satria mbola misy ireo miasa indrindra ireo inspekteran’ny fadintseranana sy ny sampandraharahan’ny hetra,
dia miditra manampy azy ireo koa izao ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany ary ny fanajariana ny tany ao Toamasina. Mitovitovy avokoa ny anton’ny fitokonana dia ny fanoherana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka sy ny fananam-bahoaka ary ny kolikoly be loatra ataon’ny fanjakana, ankoatra ny tombontsoa manokana azy ireo izay efa nanomezan’ny fanjakana toky efa taona maro izao nefa tsy tanteraka hatramin’izao. Tsy ny ao Toamasina ihany no nahenoana fa mitokona ireto sampandraharaha ara-panjakana ireto, fa fantatra ihany koa tamin’ny angom-baovao natao fa nanakatona birao sy tsy mandray mpanjifa ihany koa ireo mpiasan’ny sampandraharahan’ny hetra, sy ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany ary ny fanajariana ny tany any amin’ireo distrika misy izany eo anivon’ny faritra Atsinanana sy ny faritra Analanjirofo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.