Nizara voninkazo tamin'ireo renim-pianakaviana nandalo teny amin'ny araben'ny fahaleovantena sy tao amin'ny Foyer Social Canada ao Toamasina ny alahady fetin'ny reny teo ny fikambanam-behivavy Sambiravo, ivondronan'ireo vadin'ny manampahefana ao Toamasina tarihan'ny filohany Ramatoa Ratsironkavana Blandine. Hetsika nosantarin'izy ireo tamin'ity fetin'ny reny ity ho fanamarihana sy ho fampahatsiahivana fa masina sy mendrika eo anivon'ny fiarahamonina ny reny, ka mila tsarovana manokana amin'ny tonon-taona toy ireny. Ankoatra izay dia efa nahazatra ny fikambanana ity ny manao asa soa ho fitsinjovana ireo vehivavy sy ny ankizy sarirana ara-pivelomana rehefa misy andro sy fety ankalazaina, fa ankoatra izay dia mandray anjara feno amin'ny fanomezan-tanana amin'ny mpiara-belona ihany koa ny Fikambanana Sambiravo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.