Actualités

Toamasina Miha tanora hatrany ireo mpanendaka


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

“Tena nirongatra tato ho ato ny asa fanendahana sy fanaovana sinto-mahery ireo mpitaingina moto sy posy ary ireo mpiantsena. Voatery nanaovana ‘operation’ manokana ny momba azy io noho ny fahamaroan’ny fitarainana voarainay”,

 

 hoy ny kaomisera ny kaomisaria Toamasina Razafindahy Manitra Fleurys. Niisa 5 ireo zatovo lahy saron’izy ireo ambodiomby teo am-panendahana, ka ny 3 nahitana an’i Dada Piso sy Haja ary Jean Francois dia tratra tao amin’ny CRJS; ireto andian-jatovo ireto dia mitondra hazo be misy fantsika entina andrahonana ireo endahany, ka ireo vehivavy tratra hariva mandalo eo amin’ny CRJS no tena lasibatra. Ny 2 lahy kosa dia tratra tao Ambolomadinika nahitana an’i Ginot sy Naivo, ny azy roa lahy ireto dia antsy be no fampiasany ka ireo mpiantsena no tena lasibatra. Zatovo lahy niala fianarana avokoa ireto tratra ireto araka ny fanazavana azo. Manodidina ny 16 taona hatramin’ny 19 taona izy ireo. Araka ny didy navoakan’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana, dia miandry fitsarana am-ponja izy 05 mirahalahy ireto.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT