Actualités

Toamasina Mampihorohoro ireo «Bandes des quinze»


  • Alakamisy 15 Mey 2014


 Nampihorohoro tao Andranomadio sy Cité Haras ary Valpinson ny andian-jiolahy ao amin’ny vondrona «Bandes des Quinze» ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo anelanelan’ny tamin’ny iray ora hatramin’ny telo ora maraina. Toeram-pivarotana niisa 15 no indray nodoran’izy ireo io alina io. Araka ny fanazavana azo dia valifaty no nataon’ireto andian-jiolahy ireto taorian’ny nahafatesan’i Rasta naman’izy ireo. Ny talata 13 mey mantsy dia maty voatifitry ny polisy ity Rasta ity, izay efa ao anatin’ny lisitra maintin’ny polisy noho ireo fandrobana sy fanafihana mitam-piadiana nataony tao Toamasina. Avy nandroba tao Ankirihiry i Rasta no nifanehatra tamin’ny polisy izao tao Tanamakoa. Tratra tany aminy ireo basy PA sy fitaovana fampiasany amin’ny halatra ataony. Eo am-pikarohana ireo namany ny polisy ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT