Actualités

Toamasina Lany vatsy sahady ny Tsena Mora ?


  • Alakamisy 20 Janoary 2011

Tsy mbola hita ao Toamasina hatramin’izao na iray kilao aza ilay vary mora, saingy lafo raha miohatra amin’ny fampanantenana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey roa taona lasa sy ny vidim-barin’ny fitondrana teo aloha, nampanantenain’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT efa roa herinandro izao.

Ireo nanontaniana ihany koa nilaza tsy ampihambahambana fa «aleo mihinana kely amin’ny vary makalioka sy ny vary gasy mba ho be vitamina sy mba hahazo hery kokoa, toy izay ho voky be ny vary ‘stock tampon’ nefa tsy mateza an-kibo akory». Ny mpivarotra koa tsy taitra amin’ny vidim-bariny satria «aleon’ny olona mivatsy vary gasy sy makalioka izay efa nahazatra azy, toy izay vary nohafarana avy any ivelany izay efa vitsy mpividy teto aminay hatramin’izay». Raha tsy mbola hita ilay vary mora, ny Tsena Mora ao Toamasina ihany koa tsy nivoha efa in-droa alarobia izay, dia ny omaly sy ny heriny omaly izany. Nandeha ny feo vokatra izany fa «lany vatsy angaha ny Tsena Mora no tsy nivarotra ilay vary iray kilao amin’ny ‘sachet’ 500 ariary sy ny menaka iray litatra 2.500 ariary ary labozia singany telo sy savony singany iray, intsony ?».

 Ireo mba hanontaniana mikasika azy ity ao Toamasina moa tsy fantatra mazava, na ireo delegen’ny boriborintany natao ho lasa Tsena Mora, na ny Kaominina izay mpiara-miasa tamin’ireo ekipan’ny Tsena Mora avy aty Antananarivo hatrany am-boalohany, na ny faritra Atsinanana izay solontenam-panjakana amin’ity fandaharan’asan’ny filohan’ny FAT ity. Raha ny angom-baovao azo dia «noho ny tsy fisian’ny entana amidy izay alaina amin’ireo mpamongady ao Toamasina ihany sy ireo alefan’ny foiben’ny Tsena Mora ao Antananarivo, no antony tsy hisian’ny fivarotana efa in-droa izay». «Mety ho izahay amin’ny Tsena Mora no hivarotra ilay vary moram-panjakana eto Toamasina, ka isaky ny boriborintany no mety hahitana izany, fa toa efa eo am-pandaminana izany ny fitondrana », hoy hatrany ireto nanontaniana namarana ny fanazavany. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT