Actualités

Toamasina II Ramose nahabevohoka mpianatra tsy ampy taona


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010

Manao antso avo sy velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana iray ao Ambodilazana Toamasina II noho ny fihetsika mamoafady ataon’ity lehilahy mpampianatra iray any an-toerana.

Ho an’ireo ray aman-dreny izay tonga nitaraina tamin’ny tompon’andraikitra misahana ny fametavetana ankizivavy tsy ampy taona ao Toamasina, dia “tsy mba fampianarana hahatonga ny mpianatra hahay ny taranja ampianariny intsony no ataon’ity mpampianatra ity, fa ny fanimbana ny mpianatra amin’ny fanerena azy ireo hanao firaisana ara-nofo ho antoky ny naoty tsara”. Ireo mpianatra amin’ilay sekolim-panjakana anefa dia manodidina ny 13 taona hatramin’ny 17 taona avokoa ny ankamaroany. Manginy fotsiny, hoy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny filazan’ilay ramose mivantana hoe “aty amiko ny hoavinao, ka raha te ho afaka fanadinana BEPC dia aleo miaraka amiko”. Tsy mba tranga iray na ankizivavy iray no nanaovany ny filan-dratsiny fa maro saingy ray aman-dreny efatra no sahy nijoro tamin’ny marina nahazo an-janany. Mpianatra vao 14 taona avy any amin’ny kaominina Ifito izay nanaovany ny filany nandritra ny taom-pianarana 2008 sy 2009 ka lasa vadikelin-dramose mihitsy. Tsikaritry ny ray aman-drenin’ny mpianatra izany ka nisy ny fitarainana teo anivon’ny talen’ny sekoly. Tsy ilay mpampianatra anefa no nesorina, fa ilay zazavavy indray no nalana ka nahatonga ny fitaran’ny olana teo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra tao. Nisy anefa ny marimaritra niraisana taty aorian’ny fifanazavana teo amin’ny telo tonta, ka ilay mpampianatra no niantoka ny fampianarana sy ny fipetrahan’ity zazavavy ity tamina sekoly tsy miankina iray tao Toamasina. Tsy naharaka izany anefa ilay ramose ka tsy nahatody ny taom-pianarana hatramin’ny farany koa ilay zazavavy, ary lasa mpiasa an-tranon’olona ankehitriny. Vita hatreo koa ny nofinofy te hianatra tao aminy, vokatry ny fanerena ara-nofo nataon’ilay ramose mpanabe tao Ambodilazana Toamasina II.

Mitovy amin’izay ihany koa ny tranga nihatra tamin’ireto ankizivavy roa 14 taona sy 17 taona samy kilasy taona fahatelo hanomana fanadinam-panjakana BEPC ny taom-pianarana 2008 sy 2009 teo. Samy niarahan-dramose avokoa izy mirahavavy ireto ary samy bevohokan-dramose avokoa ny volana aprily 2009. Niatrika ny fanadinana ihany izy mirahavavy ary afa-panadinana soa aman-tsara ihany koa. Nifarana teo anefa ny lalana tamin’ny fianarana satria ny volana desambra teo dia niara-niteraka tao Toamasina II izy mirahavavy ireto ary samy mitaiza kely amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, na teo aza ireo tranga porofo mitohaka amin’ny tendany ireo dia tsy taitra amin’izay ataony ity mpampianatra Ambodilazana Toamasina II ity. Hita aza fa manana mpiaro ka izy indray izao no mirehaka ho tsy maty manota. Etsy an-kilan’izay kosa ny Ong Fafed manampy ny zazavavy tsy ampy taona tojo fahasahiranana, dia misy ny fandraisana an-tanana ireto zazavavy roa reny sahady ireto, ka hisy ny fampianaran’asa azy ireo hahafahany mamelona an-janany.
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

Hijery ny tohiny
FTT