Actualités

Toamasina I 4 miliara Ariary hanarenan-dalana


  • Alarobia 21 Mey 2014

Nisy ny atrikasa notarihin’ny minisitry ny asa vaventy tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Toamasina omaly maraina izay naharitra ora roa.

 Tamin’izay no nandinihana ny fomba entina hikojana ny lalana ao Toamasina. Nambaran’ny minisitra Roland Ratsiraka fa nahazo vola 4 miliara Ariary avy amin’ny fanjakana ny tanànan’i Toamasina entina hanarenan-dalana mirefy 3km eo. Hisy koa vola 15 miliara Ariary avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny fanamboarana ilay fiantsonan’ny fiara vaventy ao Tsarakofafa. Hanomboka amin’ity taona ity ny asa ka tsy maintsy handoavam-bola ny fampiasana azy. Nomarihan’ny minisitra fa ferana ho 25 taonina ireo fiara vaventy afaka mandeha amin’ny lalam-pirenena sasany, anisan’izany ny lalam-pirenena faha-5 mba hiarovana ireo fotodrafitra ara-dalàna ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT