Actualités

Toamasina Efa 1.800 Ar. ny kilaon’ny fotsimbary


  • Alarobia 02 Febroary 2011


«Io ary ilay efa nampoizina, mino aho fa raha mitohy izao fiakaran’ny vidin-javatra sy ny vary izao, manome tapa-bolana aho dia ho tonga 2.000 ariary ny iray kilao amin’io fotsimbary io».  Izay no nambaran’ity mpiantsena iray ity raha nanontaniana mikasika ny halafosan’ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Ny sabotsy teo no efa tsikaritra ity fiakarany ho 1.800 Ar. ity, saingy mbola mpivarotra vitsy no nahitana azy. Nanomboka ny alatsinainy teo kosa dia maro ireo nanara-dia nanova ny vidim-bary. «Tsy ny mpaninjara akory no manova na te hampiakatra ny vidim-bary fa ny mpamongady sy mpanangom-bokatra no manondrotra ny vidim-bariny dia manaraka izay izahay mpaninjara. Ny anay ety dia tsy miova ny tombony alainay isaky ny kilao, ny masonkarena ihany no hikajiana ny tombony alaina sy mamaritra ny fiakarany na ny fidinany, hoy ireo mpaninjara nanontaniana.

Ankilan’izay, dia mbola hita eny an-tsena sy amin’ireo mpaninjara, fa tena efa ankavitsiana ny vidim-bary 1600 Ar. hatramin’ny 1.700 Ar. amin’ny vary gasy sy makalioka, sy ny 1.200 Ar. hatramin’ny 1.500 Ar. amin’ny vary “stock tampon”. Tsy ny vary ihany no nahitana fisondrotana, eo koa ny katsaka izay lasa Ar.450 ny iray kapoaka raha mbola Ar.250 izany tapa-bolana lasa, ny mangahazo maina dia mitovy amin’ny vary iray kilao ny vidiny, ireo voamaina samy hafa nisondrotra eo amin’ny 20% hatramin’ny 25% eo avokoa ankehitriny.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT