Tontosaina ao Tanandava Toamasina nanomboka ny 22 hatramin’ny 26 Aprily izao ny lasy lehibe ataon’ny Tily eto Madagasikara faritany Atsinanana, mpitondra hafatry ny fandriampahalemana, hankalaza ny jobily faha-90 taona. Lohahevitra amin’izany moa ny hoe : «Havan’ny olona rehetra ary mpirahalahy daholo ny Tily» araka ny lalàna faha-4. Araka izany dia mifototra amin’ny fihaonana amin’ny alalan’ny lalao ara-pirahalahiana sy fialamboly ary fifampizarana fahalalana ny hetsika ataon’izy ireo. Mba hikendry ny fitomboan’ny fifankatiavana ao anatin’izao fankalazana ny jobily faha-90 taona izao. Miorina amin’ny sinodam-piangonana efatra ny Tily, dia ny METM, FJKM, ny Anglikana ary ny Loterana. Ary misandrahaka amin’ny sampa-panabeazana midadasika. Mitarika izany moa ny filoha Doudou.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.