Actualités

TIKO S.A Ho avy Ramose hanavaka ny vary sy ny tsiparifary !


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Na dia tsy teto an-tanindrazana nandritra ny roa taona tokoa aza Atoa Marc Ravalomanana dia nahazo vaovao tsy tapaka ny amin’ny fizotry ny raharaham-pirenena sy ny zava-nitranga amin’ny ankapobeny teto Madagasikara, tafiditra tao anatin’izany ny momba ny orinasa natsangany dia ny Tiko.

Araka ny ritsoka re dia hijery akaiky momba ity orinasa ity, ankoatra ny resaka politika tsy maintsy hiasany mafy eto ity filoha teo aloha ity, satria toa hoe maro be ireo mpitantana sy tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Tiko no tsy nahafaly an-dRamose ny zavatra nataon’izy ireo. Nisy tokoa mantsy no voalaza fa lasa mpanefoefo tampoka, nividy fiara sy nanorina trano tao anatin’ny indray mipi-maso rehefa lasa niondrana tany Afrika Atoa Ravalomanana sy ny fianakaviany.

Maro amin’ireo mpiasa tamina orinasa maro tao anatin’ny Tiko no velon-taraina noho ny fihetsiky ny lehibeny sasany. Raha ny fantatra dia efa manana ny lisitr’ireo tompon’andraikitra sy ny mpiasa nanao ny tsy nety sy namingana ny namany ary tena namadika tsotra izao Atoa Ravalomanana. Maro be ihany koa ireo mpiasa tao amin’ny Groupe Tiko no miandry ity fahatongavan-dRamose ity mba hahafahana miresaka aminy sy milaza ny tena zava-nisy marina teto an-toerana. Raha araka ny fitantaran’ireo efa afaka nihaona taminy tany Afrika Atsimo moa dia hentitra amin’ny zavatra ambarany sy ataony Atoa Ravalomanana, koa asa izay ho fanapahan-kevitra mety horaisiny ny amin’ireo olona akaiky azy tao amin’ny Tiko kanefa dia sahy namadika azy tsotra izao …

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT