Nilatsaka ny didy ! nohamafisin’ny fitsarana ambony teto Antananarivo omaly alarobia 23 mey ny didy navoakan’ny fitsarana tao Antsirabe manome alalana ny DGI na foibem-pitondrana ankapobeny momba ny hetra higiazana ny fananan’ny Tiko ao Andranomanelatra, hanefana ny tataon-ketra tsy naloan’ity orinasan-dRavalomanana ity hatramin’ny taona 2002 mitentina hatrany 172 miliara Ariary eo.
Mbola tany Antsirabe ny zoma 04 mey 2012 no efa nanao fanohanana ny fampiharana ity didy navoakan’ny fitsarana ka higiazana ny fananany ity ny Tiko saingy noresena hatrany.
Mitohy araka izany ny fanapotehana ny Tiko. Taorian’ny TOP II, mpanao menaka, sy ny MANA, mpamokatra lafarinina tao Toamasina dia ny Tia, mpamokatra sakafo azo avy amin’ny ronono, indray izao no lasibatra na dia nanam-pahavononana hiverina hiasa aza ny vondrona orinasa Tiko rehefa tsy afa-nihodina tao anatin’ny telo taona izao, noho ny antsojay isan-karazany. Mahatsiaro ho manana adidy anefa ny mpitantana ny orinasa manoloana ny fahasahiranana maro mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny fanjakana ka nahita marimaritra iraisana ny roa tonta momba ny fadin-tseranana tokony haloan’ny TIKO raha mbola ifampiresahana amin’ny sampandraharahan’ny hetra kosa ny resaka hetra isan-karazany (IRSA, TVA…) izay mbola tokony hefainy.
Nampakatra ny raharaha teo anivon’ny Centre de Recours Fiscal et Administratif ny TIKO ka namoaka ny heviny ity farany izay milaza fa misy ny mitombina fa misy koa zavatra sasany izay tsy mitombina momba ny hetra tokony haloany amin’ny fanjakana ireo, araka ny nambaran-dRandriarison Bruno, Tale jeneralin’ny vondrona orinasa TIKO Antananarivo. Raha tsy milamina akory, araka izany, ity resaka hetra ity dia efa misy ny fanerena atao ny orinasa, toy ity didim-pitsarana mivoaka ity. Nanamarika ny mpitantana fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany no vahaolana ary vonona amin’izany izy ireo, indrindra ao anatin’izao fametrahana ny fepetra fitoniana izao.
Etsy andaniny anefa dia takian’ny TIKO koa ny fikajiana ny onitra tokony ho azony noho ny fahapotehan’ny orinasa manerana ny Nosy, ny halatra natao tao amin’ny MANA sy Top II Toamasina, ny fahasimban’ny fitaovana tamin’ireo orinasa ireo rehefa noterena nahodina, ny fangalarana ny fitaovan’ny MBS sy izay tokony hananganana famonoam-biby tao min’ny seranantsambon’i Toamasina, ny fakan’ny fanjakana ny volan’ny TIKO rehetra tany amin’ny banky ary ny fakana ny tanin’ny TIKO ka nananganana hopitaly ary ny maro. Raha ny kajikaky, hoy Randriarison Bruno dia mihoatra lavitra ny haban-tseranana sy hetra tokony haloan’ny Tiko amin’ny fanjakana ny onitra tokony ho azony noho ireo fahavoazana notanisaina ireo.
Namelona mpiasa 2600 ny TIKO fony izy mbola nihodina ara-dalàna. Tsy tafiditra ao anatin’io isa io ireo mpamatsy ronono sy voankazo, ny mpitatitra ary ireo mpivarotra ny vokany. Tsy misy afa-tsy 50 sisa ireo olona ampiasainy amin’izao fotoana ka mpiambina ireo foto-drafitrasa sisa mijoro avokoa izy ireo. Aorian’izao fanagiazana ny entany izao dia asa raha mbola hisy ho tavela ireo mpiasa sisa ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.