Tontosa ny sabotsy 26 aprily teo ny fisarihana voalohany amin’ny lalao tafiditra amin’ny fanamarihana ny tsingerintaona faha-5 nisian’ny gazety Tia Tanindrazana.
Tapakila an’aliny no nahita ireo valiny marina tamin’ireo fanontaniana napetraka nanomboka tamin’ny 07 aprily 2014 nandray anjara tamin’ny fisarihana ampahibemaso, natrehin’ny polisy mpanamarina lalao, Atoa Randrianjafinirina Sylvestre. Enina ny tapakila nosarihina ka nahazo loka tamin’io, araka ny hita ao amin’ny pejy faha-4. Ho an’izy enina tsara vintana voasarika ireo dia afaka maka ny lokan’izy ireo ao amin’ny Foiben’ny gazety Tia Tanindrazana, Lot III I Boulevard Ratsimandrava Soanierana Antananarivo amin’ny alatsinainy 05 mey 2014 amin’ny 3 ora tolakandro, miaraka amin’ny fanamarinana ny mombamomba azy avy. Marihina fa ireo tapakila rehetra tsy voasarika tamin’ny sabotsy 26 aprily 2014 dia mandray anjara feno amin’ny fisarihana andiany faharoa hatao amin’ny sabotsy 31 mey 2014 miaraka amin’ireo tapakila mirakitra ny valiny marina voaray mandritra ny lalao volana mey.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.