Actualités

Tetikasa «Ville et Handicap» Nahavita be ka natao tanŕna filamatra i Mahajanga


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Mankalaza ny fahafolo taona niorenany amin’ity 2010 ity ny COPH (Collectif des Organisations de Personnes Handicapées). Nisantarana ny fanamarihana izany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notanterahana tao amin’ny EKAR Faravohitra ny volana martsa 2010 teo.

Ho an’ity anio ity indray manomboka amin’ny folo ora maraina dia manomana famelabelaran-kevitra harahina adihevitra momba ny zon’ny sembana izay hotontosaina eny an-toerana ihany ny COPH. «Mahasahy» no lohateny ampitondrainy ity adihevitra ity izay anehoana fa tsy misy na inona inona azo atao ho an’ny sembana raha tsy ampandraisina anjara amin’izany izy ireo, hoy Razafindrakoto Falihery, tale mpanatanteraka eo anivon’ny COPH. Fanatanterahana fikaonandoham-pirenena momba ny fahasembanana any Mahajanga ny 1 ka hatramin’ny 5 septambra izao kosa no ivon’ny fankalazana ka sembana 300 avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no handray anjara. Ankoatra ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena dia dinihana mandritra io fotoana io ihany koa ny politika entin’ny tanàn-dehibe momba ny zon’ny sembana. Efa nisy rahateo ny fifampiresahan’ny COPH tamin’ny kaominina an-drenivohitra enina izay renivohitry ny faritany teo aloha momba ny fametrahana fotodrafitrasa ahafahan’ny sembana mivezivezy sy miaina tahaka ny olon-drehetra tao anatin’ilay tetikasa «Ville et Handicap» izay nanomboka tamin’ny taona 2006. Misy ireo efa nandray fepetra mifanaraka amin’izany ka namoaka didim-pitondrana momba ny zon’ny sembana toy ny kaominina Antsiranana, Toliara, Toamasina ary Mahajanga raha fananganana komity manokana handinika momba izany kosa no nataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ny kaominina Mahajanga renivohitra no nahavita dingana lehibe indrindra tamin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa ahafahan’ny sembana mankeny amin’ny «bord» sy miantsena toy ny olon-drehetra amin’ireo tsena telo ao an-tanàna. «Nataonay tanàna filamatra mihitsy ny renivohitr’i Boeny noho izany ka tianay halain’ny hafa tahaka. Izay indrindra no antony nisafidianana azy hampiantrano io fikaonan-dohampirenena io», hoy Razakandrainy, filohan’ny COPH.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT