Actualités

Tetikasa “RANO WASH” Hamatsy vola 30 tapitrisa dolara ny USAID


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Nisy ny atrikasa nokarakaraina momba ny Rano Wash omaly talata 31 jolay tetsy amin’ny Hotely Solimotel Anosy.

 Io moa dia tetikasa maharitra 5 taona atao any amin’ny faritra Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Haute Matsiatra.  Vatsian’ny masoivohon’ny Amerikana ho amin’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) vola mitentina 30 tapitrisa dolara ary miompana indrindra amin’ny serasera momba ny fiovan-toetran’ireo vahoaka hanaovana fotodrafitrasa ana-rano fisotro madio sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Ao anatin’izay dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny sekoly lehibe London School for hygiene and tropical medicine avy any Londres momba ny fikarohana ireo fomba rehetra fanao misy eto Madagasikara momba ny fanovana ny toetra amin’ny alalan’ny serasera. Iaraha-mahalala fa tena vitsy ny Malagasy no misitraka rano fisotro madio, indrindra ny any amin’ireo faritra nofidiana manokana ireo. Araka izany dia 250 eo ho eo ny kaominina tratrarina hahazo fotodrafitrasa lehibe miisa 140 mahakasika ny rano. Rehefa izay dia tombanana ho 3 hetsy eo ny olona hahazo rano fisotro madio vaovao ary 375.000 no hisitraka ny fotodrafitrasa fanadiovana lava-piringa mba hanatsarana hatrany ny sehatra fahasalamana.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT