Nahomby ny tetikasa «Projet d’Amélioration de la Productivité Rizicole sur les Hautes Terres Centrales» notanterahana amin’ireo faritra 5 teto afovoantanin’i Madagasikara nanomboka tamin’ny janoary 2009 ka hifarana amin’ny jolay 2015 izao. Raha nanodidina ny 2,20 taonina isan’hektara mantsy ny vokatra avy
amin’ny voly varin-dRajao nandritra ny taom-pambolena 2008-2009 dia nahatratra 3,70 taonina isan’hektara izany tamin’ny taom-pambolena 2013-2014. Azo heverina rahateo ny hanatsarana hatrany amin’ny 20% ny voka-bary avy amin’ny tetikasa «Papriz» niarahan’ny ministeran’ny Fambolena Malagasy amin’ny fikambanana fiaraha-miasa japoney Jica mialoha ny taona 2018, araka ny tatitra tombana nivoaka teny Andrainarivo. Efa miditra amin’ny fanomanana ny dingana faharoa izay hiompana bebe kokoa amin’ny fampahafantarana ity teknika fambolem-bary mampiasa rano amin’ny ampahany ity moa ny tanjon’ireo fanjakana Malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka manaraka. Tsara ihany ny manamarika fa drafitr’asa fanavaozana nentin’ny Madagasikara AmPerinasa ny paikadim-pirenena hampiroboroboana ny voly vary ka nahitam-bokatra tsara io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.