Actualités

Tetikasa fiahiana ny mpiara-belona 35 tapitrisa dolara ny vola hampiasaina


  • Alarobia 04 Martsa 2015

Mba ho fanampiana ireo mpiara-belona hita fa tena marefo, indrindra taorian'ny voina nateraky ny tondra-drano sy ny hain-tany teto amintsika dia tanterahina eto indray ilay tetikasa fiahiana ny mpiara-belona. Hiarahana amin'ny FID izy io,

fandaharan'asan'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny vola mitentina 35 tapitrisa dolara, volan'ny fanjakana nosamborina tamin'ny banky iraisam-pirenena.  Hiseho amina sokajin'asa telo lehibe izy io, raha araka ny fanazavan'ny talen'ny FID Ratsima Rasendra omaly. Voalohany ny vatsin'ankohonana amin'ny alalan'ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra rehetra izay efa nosantarina tany Betafo farany teo. Faharoa,  ny vonjy voina hetsika iray entina hanomezana asa ireo traboina sy kere amin'ny alalan'ny fanadiovana lakandrano sy fako ho antsika eto an-drenivohitra ary fahatelo dia ny fanampiana ireo tantsaha tena miezaka hahafahan'izy ireo mividy omby na tany kely hovolena. Minisitera telo no hiara-kisalahy amin'ny fanatanterahana izany dia ny minisiteran'ny fambolena, fanabeazam-pirenena ary ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, ity farany izay mpiahy mivantana ny tetikasa rehetra. Tontosa omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin'izy telo tonta, notronin'ny tale jeneralin'ny FID sy ny mpandrindra nasionaly eo anivon'ny ofisim-pirenena momba ny sakafo.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT