Ny fametrahana ny rafitra fokonolona ihany ho an’ny antoko Madagasikara Sahy sy Vonona no tena vahaolana eto amin’ny firenena.
Fidiana ny filoham-pokontany ary omena vola manokana izy ireny hahafahany mampandeha ireo karazan-draharaha maro samihafa ao amin’ny faritra iadidiany. Amin’ny alalan’ny fampihenana ny isan’ireo minisitera sy ny tetibolan’ny fiadidian’ny Repoblika, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina no hanatanterahana azy fa tsy ilana adihevitra be. Tsy miandry ela fa aorian’ny fametrahana izay filoham-pirenena ho lany eo amim-pomba ofisialy dia tapahina avy hatrany amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny fanatontosana azy hahafahana mamerina avy hatrany any amin’ny vahoaka ny fahefana natolotra ilay filoha vaovao. Tsiahivina fa efa nahazo ny didim-pitondrana avy amin’ny tompon’andraikitra amin’ny maha antoko politika ara-dalàna azy ny MVS. Ho azy ireo dia tsy ilaina intsony ilay olona 150 hanohana azy. Efa miara-miasa amina vondrona antoko maro izy ireo ankehitriny ka anisan’ireny ny TAFA izay niorina tamin’ny taona 2013. Nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.