Miakatra avokoa ny vidin’ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro ao Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana ary Soanierana Ivongo, taorian’ny fahasimban’ilay tetezana ao Antetezambaro vokatry ny halatra bilao sy vy nataon’olona “ratsy saina” taminy.
Ny talata izao araka ny angom-baovao no ho vita ny familian-dalana hahafahan’ireo fiara mpitondra entana mpamatsy ny tapany avaratr’i Toamasina, ny minisiteran’ny asa vaventy amin’ny alalan’ny taleny ao Toamasina. Ho avy ao Toamasina mihitsy anio alatsinainy ny minisitry ny asa vaventy, Atoa Roland Ratsiraka, hijery ny fanaovana ny asa familian-dalana sy hametraka teknisianina hanamboatra ilay tetezana simba, ary hametraka hafatra ho an’ny rehetra momba ity “famosaviana” sy “kolontsaina manimba ny vita” ataon’ny olona sasany, ka mampijaly ny mpiara-monina sy ny Malagasy rehetra.
Efa tonga ao Toamasina ireo tetezam-by hanamboarana ilay tetezana simba ao Antetezambaro, fa mandra-piandry ny fahavitan’ny asa, dia miakatra 20% hatramin’ny 30% ny vidin’entana ao avaratr’i Toamasina. Ny famindrana ny entana izay tsy maintsy hanaramana mpibata sy fampiasana fiara roa raha tokony ho tokana, no anton’ny fiakaram-bidin’ireo entana. Ankoatra izay dia manomboka tsy misy koa ny solika eo anivon’ny Jirama Fenoarivo Atsinanana, ny ao Mahavelona Foulpointe, ny ao Soanierana Ivongo ary ny ao Vavatenina, vokany ny alina ihany no mahazo herinaratra izy ireo, ny ao Fenoarivo Atsinanana kosa miampy ny fahasimban’ny fitaovana mpamokatra herinaratra, ka ny 20%-n’ny tanàna ihany sisa no mba mahazo herinaratra isaky ny alina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.