Raha ny famelabelarana nataon’ny minisitry ny asa vaventy teto amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny zoma 23 mey momba ny praograman’asa hotanterahin’ity minisitera tantaniny ity, hoy ny depiote Zafimahatratra Abel, dia mahavelom-bolo amin’ny ankapobeny raha ny famatsiam-bola notanisainy fa ahafahana manatanteraka an’ireo asa fanamboaran-dalana eto amintsika. Ho anay any amin’ny Distrikan’i Manakara manokana, hoy ny depiote Abel, dia tena laharam-pahamehana ary antoky ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra ny fanamboarana ny tetezan’i Manakara Be simba tamin’ny 12 septambra 2012.
Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa nasain’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka niara-nisakafo taminy, teny amin’ny hotely Carlton Madagascar, ireo solombavambahoaka maro taorian’ny fanolorana praograman’asa nataony teny Tsimbazaza. Aza manontany ny antony fa sady mariky ny fifankatiavana no karazana arôzazy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.