Actualités

Tetezamby ao Antetezambaro RN5 Nihotsaka noho ny kamiao navesatra loatra


  • Sabotsy 03 Mey 2014


 Simba omaly ny tetezamby eo am-pidirana ny Kaominina Antetezambaro amin’ny lalam-pirenena faha-05, noho ny tsy fahazakana kamiao efa nihoatra ny 30 taonina nandalo teo amboniny. Nitongilana ilay tetezamby ary tsy afaka milanja vesatra mihoatra ny 3 taonina intsony. Ireo fiara manao fitaterana amin’ny RN5 aza voatery mampidina mpandeha eo am-panitsahana ity tetezana ity. Vokatr’izay, dia manahy ny famatsiana entana ilainy andavanandro ny ilany avaratr’i Toamasina manomboka ao Mahavelona Foulpointe hatrany Soanierana Ivongo sy Vavatenina. Noho ilay olana teo aloha teo am-pidirana an’Antaratasy dia efa tafakatra 5.000 Ar ny vidin’ny solika tao Fenoarivo Atsinanana. Efa nijery ny fahavoazana ny teo anivon’ny talem-paritry ny asa vaventy sy ireo teknisianina ao Toamasina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT